Hebrews 9

1Ary na dia ny fanekena voalohany aza dia nanana fitsipi-pivavahana sy fitoerana masina eto an-tany. 2Fa nisy tabernakely izay nomanina. Ny efitra voalohany, izay nisy ny fitoeran-jiro, ny latabatra, ary ny mofon’ny fanatrehana, dia nantsoina hoe fitoerana masina.

3Ao ambadiky ny lamba faharoa dia nisy efitra iray hafa, antsoina hoe toerana masina indrindra. 4Nisy alitara volamena ho an’ny ditin-kazo manitra izany. Nisy ny fiaran’ny fanekena ihany koa, izay rakotra volamena tanteraka. Tao anatin’izany dia nisy siny volamena izay nisy ny mana, ny tehin’i Arona izay naniry, ary ireo vato fisaky ny fanekena. 5Eny ambonin’ny fiaran’ny fanekena, dia kerobima be voninahitra maro no manaloka ny sarona fanaronana, izay tsy afaka resahanay amin’ny antsipirihiny ankehitriny.

6Rehefa voahomana ireo zavatra ireo, dia niditra tao amin’ny efitra ivelan’ny tabernakely foana ireo mpisorona mba hanao ny fanompoan’izy ireo. 7Fa ny mpisoronabe ihany no niditra indray mandeha isan-taona tao amin’ny efitra faharoa, ary niaraka tamin’ny rà izay natolony ho an’ny tenany sy ho an’ireo fahotana tsy ninian’ireo olona.

8Nasehon’ny Fanahy Masina fa ny lalana mankao amin’ny toerana masina indrindra dia mbola tsy naseho raha mbola mitsangana ny tabernakely voalohany. 9Izany dia fanoharana ho an’izao fotoana ankehitriny izao. Ireo fanomezana sy ireo sorona izay atolotra ankehitriny dia samy tsy afaka hahatanteraka ny fieritreretan’ny mpivavaka iray. 10Mifantoka amin’ny sakafo sy zava-pisotro sy karazam-pomba fidiovana maro fotsiny ireo. Ireo rehetra ireo dia fitsipika ho an’ny nofo avokoa izay nomena mandra-panamboarana ny fandaminana vaovao.

11Kristy dia niavy tahaka ny mpisoronaben’ireo zavatra tsara izay tonga. Nandeha tamin’ny alalan’ny tabernakely lehibe kokoa sy lafatra kokoa izay tsy nataon’ny tanan’olombelona Izy, izay tsy an’izao tontolo voahary izao. [Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany dia mivaky toy izao: “Jesosy dia tonga toy ny mpisoronaben’ireo zavatra tsara izay ho avy.”] 12Tsy tamin’ny ràn’ireo osy lahy sy vantotr’omby vavy izany, fa tamin’ny ràny manokana izay niditra tao amin’ny toerana masina indrindra indray mandeha monja ho an’ny rehetra ary niaro ny famonjentsika mandrakizay.

13Fa raha ny ràn’ireo osy sy ireo omby lahy ary ny famafazana ny lavenon’ny vantotr’omby vavy eo amin’ireo izay lasa maloto no manokana azy ireo eo amin’Andriamanitra ho fanadiovana ny nofon’izy ireo, 14toy ny ahoana ny fihoaran’ny ràn’i Kristy, izay nanolotra ny Tenany tsy misy kilema ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, hanadio ny fieritreretantsika hiala amin’ny asa maty mba hanompoana ilay Andriamanitra velona? 15Noho izany antony izany, dia Izy no mpanalalana ny fanekena vaovao. Izany dia, satria nisy fahafatesana iray niseho mba hanafaka ireo izay ambanin’ny fanekena voalohany amin’ny fahotan’izy ireo, dia handray ny fampanantenan’ny lova mandrakizay ireo izay voaantso.

16Fa raha misy didim-pananana, ny fahafatesan’ ilay olona izay nanao izany dia tsy maintsy voaporofo. 17Fa rehefa misy fahafatesana ihany vao manan-kery ny didim-pananana, satria tsy manan-kery izany raha toa ka mbola velona ilay olona izay nanao izany.

18Koa na dia ny fanekena voalohany aza tsy natao raha tsy nisy rà. 19Fa rehefa nanome ny didy rehetra tao amin’ny lalàna tamin’ireo olona rehetra Mosesy, dia naka ny ràn’ireo omby sy ireo osy, niaraka tamin’ny rano, volon’ondry jaky mena, sy hysopa izy, ary namafy teo amin’ny boky sy ny olona rehetra. 20Ary izy niteny hoe: “Inty no ràn’ny fanekena izay nandidian’Andriamanitra ho anareo.”

21Toy izany koa, dia namafy ny rà teo amin’ny tabernakely sy ireo fitoeran-javatra rehetra hampiasaina amin’ny fanompoana izy. 22Araka ny lalàna, dia saika ny zavatra rehetra no voadio tamin’ny rà. Raha tsy misy fandatsahan-drà dia tsy misy famelan-keloka.

23Noho izany dia nilaina ny tandindon’ireo zavatra any an-danitra mba ho voadion’ny soron’ireo biby ireo. Na izany aza, ireo zavatry ny lanitra mihintsy no nila nodiovina tamin’ny sorona tsara kokoa. 24Fa Kristy dia tsy niditra tao amin’ny toerana masina indrindra izay nataon’ny tanana, izay tandindon’ilay iray izay tena izy fotsiny ihany. Fa kosa niditra tany an-danitra mihintsy Izy, mba hiseho eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra ho antsika ankehitriny.

25Tsy nandeha tao mba hanolotra ny tenany imbetsaka Izy, tahaka ny fanaon’ny mpisoronabe, izay miditra ao amin’ny toerana masina indrindra isan-taona niaraka tamin’ny ràn’ny hafa. 26Fa raha izany ny zava-nitranga, dia nila nijaly imbetsaka nanomboka tamin’ny fanorenana izao tontolo izao Izy. Fa ankehitriny dia indray mandeha monja no nampisehoana Azy mba hanaisotra ny fahotana amin’ny alalan’ny soron’ny tenany ihany.

27Efa natao ho faty indray mandeha ny olon-drehetra, ary aorian’izany no ho avy ny fitsarana. Tahaka izany ihany koa, Kristy, izay natolotra indray mandeha mba hanala ireo fahotan’ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy handraraha ny ota, fa ho an’ny famonjena ireo izay miandry Azy amim-paharetana.

28

Copyright information for PltULB